1. Now Jehoshaphat slept with his fathers, and was buried with his fathers in the city of David. And Jehoram his son reigned in his stead.
1. Josaphat se coucha avec ses pères, et il fut enterré avec ses pères dans la ville de David. Et Joram, son fils, régna à sa place.
1. "ARy Josafata lasa nodimandry any amin' ny razany, dia nalevina tao amin' ny razany tao an-Tanànan' i Davida izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy."
2. And he had brethren the sons of Jehoshaphat, Azariah, and Jehiel, and Zechariah, and Azariah, and Michael, and Shephatiah: all these were the sons of Jehoshaphat king of Israel.
2. Joram avait des frères, fils de Josaphat: Azaria, Jehiel, Zacharie, Azaria, Micaël et Schephathia, tous fils de Josaphat, roi d`Israël.
2. "Ary nanan-drahalahy, zanak' i Josafata koa izy, dia Azaria sy Jehiela sy Zakaria sy Azaria sy Mikaela ary Sefatia; ireo rehetra ireo no zanak' i Josafata, mpanjakan' ny Isiraely."
3. And their father gave them great gifts of silver, and of gold, and of precious things, with fenced cities in Judah: but the kingdom gave he to Jehoram; because he was the firstborn.
3. "Leur père leur avait donné des présents considérables en argent, en or, et en objets précieux, avec des villes fortes en Juda; mais il laissa le royaume à Joram, parce qu`il était le premier-né."
3. "Ary nomen-drainy fanomezana betsaka ireo, dia volafotsy sy volamena ary zava-tsarobidy mbamin' ny tanàna mimanda tany Joda; fa ny fanjakana kosa dia nomeny an' i Jehorama, satria izy no lahimatoa."

Jehoram King of Judah

4. Now when Jehoram was risen up to the kingdom of his father, he strengthened himself, and slew all his brethren with the sword, and divers also of the princes of Israel.
4. Lorsque Joram eut pris possession du royaume de son père et qu`il se fut fortifié, il fit mourir par l`épée tous ses frères et quelques-uns aussi des chefs d`Israël.
4. Ary raha vao nanjaka tamin' ny fanjakan' ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin' ny mpanapaka sasany tamin' ny Isiraely koa tamin' ny sabatra.
5. Jehoram was thirty and two years old when he began to reign, and he reigned eight years in Jerusalem.
5. Joram avait trente-deux ans lorsqu`il devint roi, et il régna huit ans à Jérusalem.
5. Roa amby telopolo taona Jehorama, fony izy vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema.
6. And he walked in the way of the kings of Israel, like as did the house of Ahab: for he had the daughter of Ahab to wife: and he wrought that which was evil in the eyes of the LORD.
6. Il marcha dans la voie des rois d`Israël, comme avait fait la maison d`Achab, car il avait pour femme une fille d`Achab, et il fit ce qui est mal aux yeux de l`Éternel.
6. Ary nandeha tamin' ny lalan' ny mpanjakan' ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon' ny taranak' i Ahaba, fa ny zanakavavin' i Ahaba no vadiny, ary nanao izay ratsy teo imason' i Jehovah izy.
7. Howbeit the LORD would not destroy the house of David, because of the covenant that he had made with David, and as he promised to give a light to him and to his sons for ever.
7. Mais l`Éternel ne voulut point détruire la maison de David, à cause de l`alliance qu`il avait traitée avec David et de la promesse qu`il avait faite de lui donner toujours une lampe, à lui et à ses fils.
7. Nefa Jehovah tsy nety nandringana ny taranak' i Davida noho ny fanekena efa nataony tamin' i Davida sy araka ny nampanantenainy fa hanome jiro mandrakizay ho azy sy ny zanany.
8. In his days the Edomites revolted from under the dominion of Judah, and made themselves a king.
8. De son temps, Édom se révolta contre l`autorité de Juda, et se donna un roi.
8. Tamin'ny andron'i Jehorama no niodinan' ny Edomita ka tsy nanoa ny Joda, fa nanangana mpanjaka ho azy izy.
9. Then Jehoram went forth with his princes, and all his chariots with him: and he rose up by night, and smote the Edomites which compassed him in, and the captains of the chariots.
9. "Joram partit avec ses chefs et tous ses chars; s`étant levé de nuit, il battit les Édomites qui l`entouraient et les chefs des chars."
9. "Ka dia nivoaka Jehorama sy ireo mpanapaka nitondra ny kalesiny rehetra; ary nanaovany latsak' alina ny Edomita izay nanodidina azy sy ny komandin' ny kalesy."
10. So the Edomites revolted from under the hand of Judah unto this day. The same time also did Libnah revolt from under his hand; because he had forsaken the LORD God of his fathers.
10. La rébellion d`Édom contre l`autorité de Juda a duré jusqu`à ce jour. Libna se révolta dans le même temps contre son autorité, parce qu`il avait abandonné l`Éternel, le Dieu de ses pères.
10. Nefa ny Edomita mbola niodina ka tsy nanoa ny Joda ihany ambaraka androany. Ary tamin' izany andro izany dia niodina koa Libna, ka tsy nety nanoa an' i Jehorama, satria efa nahafoy an' i Jehovah Andriamanitry ny razany izy.
11. Moreover he made high places in the mountains of Judah, and caused the inhabitants of Jerusalem to commit fornication, and compelled Judah thereto.
11. "Joram fit même des hauts lieux dans les montagnes de Juda; il poussa les habitants de Jérusalem à la prostitution, et il séduisit Juda."
11. Ary koa nanao fitoerana avo teny an-tendrombohitry ny Joda izy sady nampijangajanga ny mponina tany Jerosalema ary nanery ny Joda hanao izany.
12. And there came a writing to him from Elijah the prophet, saying, Thus saith the LORD God of David thy father, Because thou hast not walked in the ways of Jehoshaphat thy father, nor in the ways of Asa king of Judah,
12. Il lui vint un écrit du prophète Élie, disant: Ainsi parle l`Éternel, le Dieu de David, ton père: Parce que tu n`as pas marché dans les voies de Josaphat, ton père, et dans les voies d`Asa, roi de Juda,
12. Ary nisy taratasy avy tamin' i Elia mpaminany tonga tao aminy nanao hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitr' i Davida rainao: Noho ny tsy nandehananao tamin' ny lalan' i Josafata rainao, na tamin' ny lalan' i Asa mpanjakan' ny Joda,
13. But hast walked in the way of the kings of Israel, and hast made Judah and the inhabitants of Jerusalem to go a whoring, like to the whoredoms of the house of Ahab, and also hast slain thy brethren of thy father's house, which were better than thyself:
13. "mais que tu as marché dans la voie des rois d`Israël; parce que tu as entraîné à la prostitution Juda et les habitants de Jérusalem, comme l`a fait la maison d`Achab à l`égard d`Israël; et parce que tu as fait mourir tes frères, meilleurs que toi, la maison même de ton père; -"
13. Fa nandeha tamin' ny lalan' ny mpanjakan' ny Isiraely kosa ianao ka nampijangajanga ny Joda sy ny mponina any Jerosalema toy ny fijangajangan' ny taranak' i Ahaba, sady novonoinao koa ny rahalahinao nateraky ny rainao, izay tsara noho ianao:
14. Behold, with a great plague will the LORD smite thy people, and thy children, and thy wives, and all thy goods:
14. "voici, l`Éternel frappera ton peuple d`une grande plaie, tes fils, tes femmes, et tout ce qui t`appartient;"
14. "Indro, hasian' i Jehovah areti-mandringana lehibe ny vahoakanao sy ny zanakao sy ireo vadinao mbamin' ny fanananao rehetra;"
15. And thou shalt have great sickness by disease of thy bowels, until thy bowels fall out by reason of the sickness day by day.
15. et toi, il te frappera d`une maladie violente, d`une maladie d`entrailles, qui augmentera de jour en jour jusqu`à ce que tes entrailles sortent par la force du mal.
15. Ary Ianao koa ho azon' ny aretina mafy, dia aretina amin' ny tsinainao, mandra-pialàlan' ny tsinainao isan' andro isan' andro noho ny aretina.
16. Moreover the LORD stirred up against Jehoram the spirit of the Philistines, and of the Arabians, that were near the Ethiopians:
16. Et l`Éternel excita contre Joram l`esprit des Philistins et des Arabes qui sont dans le voisinage des Éthiopiens.
16. "Ary Jehovah nanaitra ny fanahin' ny Filistina sy ny Arabo izay eo akaikin' ny Etiopiana hamely an' i Jehorama;"
17. And they came up into Judah, and brake into it, and carried away all the substance that was found in the king's house, and his sons also, and his wives; so that there was never a son left him, save Jehoahaz, the youngest of his sons.
17. Ils montèrent contre Juda, y firent une invasion, pillèrent toutes les richesses qui se trouvaient dans la maison du roi, et emmenèrent ses fils et ses femmes, de sorte qu`il ne lui resta d`autre fils que Joachaz, le plus jeune de ses fils.
17. Ary niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, dia nobaboiny ny fananana rehetra izay hita tao amin' ny tranon' ny mpanjaka, mbamin' ny zanany sy ny vadiny koa, ka tsy nisy zanany tafajanona taminy intsony afa-tsy Joahaza faralahiny.
18. And after all this the LORD smote him in his bowels with an incurable disease.
18. "Après tout cela, l`Éternel le frappa d`une maladie d`entrailles qui était sans remède;"
18. Ary nony afaka izany rehetra izany, dia nasian' i Jehovah aretina tsy azo sitranina tamin' ny tsinainy izy.
19. And it came to pass, that in process of time, after the end of two years, his bowels fell out by reason of his sickness: so he died of sore diseases. And his people made no burning for him, like the burning of his fathers.
19. "elle augmenta de jour en jour, et sur la fin de la seconde année les entrailles de Joram sortirent par la force de son mal. Il mourut dans de violentes souffrances; et son peuple ne brûla point de parfums en son honneur, comme il l`avait fait pour ses pères."
19. Ary izao no niseho, nony ela, rehefa afaka roa taona, dia nialàla ny tsinainy noho ny aretiny, ka dia maty tamin' ny aretina mafy sy betsaka izy. Ary ny vahoakany tsy mba nandoro zavatra ho fisaonana azy toy ny nataony tamin' ny razany.
20. Thirty and two years old was he when he began to reign, and he reigned in Jerusalem eight years, and departed without being desired. Howbeit they buried him in the city of David, but not in the sepulchres of the kings.
20. Il avait trente-deux ans lorsqu`il devint roi, et il régna huit ans à Jérusalem. Il s`en alla sans être regretté, et on l`enterra dans la ville de David, mais non dans les sépulcres des rois.
20. "Roa amby telopolo taona izy fony vao nanjaka, ary valo taona no nanjakany tany Jerosalema; koa lasa tsy nisy nalahelo azy izy; ary nalevina tao an-Tanànan' i Davida ihany izy, nefa tsy mba tao amin' ny fasan' ny mpanjaka."
<
>